DRMRS AMORON’I MANIA : Miara-miasa hatrany ireo tomponandraiki-panjakana amin’ny famahana ny olana eny ifotony

Ho fandravonana ny olana nisy izay niteraka korontana sy fifampihantsiana teo amin’ny samy mpitrandraka vato tao amin’ny toeram-pitrandrahana « quartz rose » tao Akipa, Fokontany Ankazondrano, Kaominina Tsarazaza, Distrika Fandriana dia tonga nidina ifotony tany an-toerana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharaonkarena stratejika DRMRS Amoron’i Mania, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony, nahitana ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna Kaominina Tsarazaza, ny sefo Fokontany Ankazodrano, ny solontenan-dRamatoa Solombavabahoakan’I Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrika Fandriana.

Nandritra izany fidinana ifotony izany, natoro ireo rehetra voakasika ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany mikasika ny fitrandrahana vato, ny amin’ny fanajana ny tontolo iainana, sy ny tsy tokony hampiasana zaza tsy ampy taona. Nitondrana fanazavana indrindra koa ny momba ireo dingana sy ny fepetra tokony harahina mba hahafahana mivondrona ao anaty fikambanana, ka hidirana anaty Zone d’encadrement ka hahafahana miasa ara-dalàna, sy hanamora ny fahazoan-dalana hitrandraka.

Resy lahatra ny rehetra ary vonona ny hanaraka ny toromarika nomen’ny Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania mba ho tombotsoan’ny rehetra ka tsy hisian’ny gaboraraka sy fifanambakana. Eo ihany koa ny hisitrahan’ny Kaominina sy ny Faritra ny tamberim-bidy azo avy amin’ny asa fitrandrahana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania