AKOM-BAOVAO MOMBA NY FAMETRAHANA SY FANAVAOZANA « ZONE D’ENCADREMENT » TAO AMIN’NY DISTRIKAN’I MANANARA AVARATRA, FARITRA ANALANJIROFO

Manombo sy Antanandava, fokontany roa ao anatin’ny distrikan’i Mananara Avaratra nanatontosan’ny ekipan’ ny Fitaleavam-paritry ny Harena Ankibon’ny Tany Analanjirofo sy ny Talen’ny BCMM Toamasina fidinana ifotony ny 24 hatramin’ny 28 Septembre 2024 lasa teo.

Vontoatin’ny fidinana ifotony natao ny fametrahana sy ny fanavaozana (renouvellement) ny  » Zone d’encadrement  » ho an’ireo mpitrandraka madinika misehatra amin’ny « quartz, quartz cristal  » any an-toerana.

Nandritra io fidinana ifotony natao io no nisian’ny fampahafantarana sy fampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna fa teo ihany koa ny fanentanana ara-tontolo iainana mifandraika amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ary ny fampianarana ny tekinika momba ny asa fitrandrahana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Analanjirofo

MIM/DCRP – Octobre 2024