AKOM-BAOVAO DIRMRS VATOVAVY SY FITOVIGNANY : ADY AMIN’NY FITRANDRAHANA VOLAMENA TSY ARA-DALANA

Mitohy hatrany ny fanadiovana sy ady amin’ny gaboraraka eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Sambo tsy fanta-pototra misy fitaovana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna na drague à godets no nakatona taorian’ny fidinana ifotony notontosain’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DIRMRS Vatovavy-Fitovinany sy ny Zandarmariam-pirenena Antsenavolo ny  Talata 12 Aprily 2022. Fitoriana avy amin’ny mpandraharaha tompona fahazoan-dalana ao amin’ny Fokontany Sahasondroka, Kaominina Ambohimiarina, distrikan’i Mananjary noho ny fisiana drague mandalo eo amin’ny fari-pitrandrahany.

Teratany Sinoa 3 miampy Malagasy 5 no hita tao anaty drague nandritra ny fidinana ifotony  . Marihina fa ny iray amin’ireo teratany Sinoa dia efa voarohirohy tamin’ny raharaha « drague » tsy ara-dalàna tao Anosimparihy. Raha ny loharanom-baovao ihany dia « drague » efa nakatona tao amin’ny Kaominina Marokarima no nampiasain’izy ireo indray ka izao tratra izao. Nisy araka izany ny fandikan-dalàna bris de scellé nataon’izy ireo.

Solika,Tapis » fanivanam-bolamena, « mercure » no anisan’ny fitaovana nampiasain’ireto farany nanaovana fitrandrahana tsy ara-dalàna tao an-toerana. Marihina fa helohin’ny lalàna ny fampiasana ny « mercure » izay singa mitera-doza  ho an’ny fahasalamana. Maro anefa ny mponina izay mampiasa ny rano nitoeran’ny « drague » nampiasain’ireto mpitrandraka tsy ara-dalàna ireto.

Nakatona ny fitrandrahana ary napetraka vonjimaika ao amin’ny biraon’ny Zandarimaria ireo fitaovana mandra-pamindra azy any amin’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy, raha ny nambaran’ny Tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy Ria RAONISON. Efa mandeha ny famotorana ary hampitaina miandalana ny tohin’ny raharaha, hoy hatrany izy.

©️Sary sy Fampitam-baovao : Tale iraisam-paritra DIRMRS Vatovavy sy Fitovinagny