FITANTANANA NY SEHA-PIHARIANA HARENA AN-KIBON’NY TANY : fihaonana tamin’ireo tompona fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka harena an-kibon’ny tany

Nisy ny Atrikasa izay nampahafantarana an’ireo tompona fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka harena an-kibon’ny tany momba ireo fepetra amam-pitsipika mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna vaovao mifehy ity seha-pihariana ity. Noresahana ihany koa ny fivoaran’ireo fanavaozana nentina hanatsarana ity seha-pihariana ity sy ny dingana hotanterahana manaraka. Teny amin’ny MBC Mamory Ivato no nanatanterahana izany androany Zoma faha-15 Novambra 2024.

Nitondra ny tari-kevitra sy nanomboka ny fanazavana nandritra izany ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Nitohy tamin’ny asam-baomiera notarihan’ireo tomponandraikitra sy teknisianina isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera izany ary nahitana ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny tsirairay.