AKOM-BAOVAO ALAOTRA MANGORO : fidinana ifotony niarahan’ny Ministera tomponandraikitra sy ireo olom-boafidy any an-toerana nijerana ny fitrandrahana Quartz Rose ao Antandrokomby Ambatondrazaka
Ho fijerena ifotony ny zava-misy manodidina ny fitrandrahana quartz rose, izay ahitana mpitrandraka madinika maro, ao amin’ny kariera Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana, ao Ambatondrazaka, dia nisy ny fivoriana teknika narahana fidinana ifotony natao teny an-toerana, notanterahan’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny avy amin’ny Fitaleavam-paritra DRMIM Alaotra Mangoro sy ny BCMM Ambatondrazaka, niaraka tamin’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara mirahalahy voafidy tao amin’ny Distrika Ambatondrazaka, ny Alatsinainy faha-11 Novambra 2024.
Tanjona amin’izao ny fiaraha-mametraka paikady iombonana, mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery, mba hahafahana mampiditra ireo mpitrandraka amin’ny rafitra ara-dalàna sy matihanina kokoa. Nisy ny fampahafantarana ny Lalàna manan-kery sy ireo fanentanana mifanaraka amin’izany, izay efa tanterahana hatrany amin’ny fihaonana amin’ny mpisehatra toy izao.
Niombom-peo naneho ny fankasitrahany izao hetsika fijerena ifotony izao ireo mpisehatra tao amin’ny kariera, ary ny Solombavambahoaka Fidèle RAZARA Pierre sy ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick ihany koa dia naneho fisaorana ny ekipan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany amin’ny fandraisana andraikitra haingana, manoloana ny fitarainan’ny vahoaka izay nampitain’izy ireo, raha ny nambaran’ny roa tonta.
MIM DCRP-Novembre 2024