ATRIKASA AMIN’NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY TEO ANIVON’NY FITALEAVANA IRAISAM-PARITRY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY MATSIATRA AMBONY
Tomponandraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly ny olom-pirenena tsirairay hahatrarana ny fametrahana ny fitantanana mangarahara, andry fahatelo an’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, izay mifanindran-dalana ihany koa amin’ny tanjon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, mahakasika ity seha-pihariana ity.
Tontosa ny 21 May 2024 lasa teo, tao amin’ny biraon’ny fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Matsiatra Ambony ny atrikasa fampiofanana sy fanentanana notarihan’ny ekipa teknikan’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ao Fianarantsoa niarahana tamin’ireo mpiasa eo anivon’ity sampan-draharaham-panjakana ity mahakasika ny ady amin’ny kolikoly.
Fanentanana ireo mpiasa hanatevin-daharana sy handray an-tanana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sehatra misy azy, fametrahana ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly na Structure Anti-corruption (STAC) eo anivon’ny fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, ary fankatoavana ny drafitr’asan’ny rafitra STAC ho an’ny taona 2024, ireo no teboka nivoitra nandritra ity atrikasa ity.
Nifanolo-tanana nahatontosana ity hetsika ity ny sampan-draharaha misahana ny fisorohana sy ny fanabeazana eo anivon’ny Biarom-paritra mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ao Fianarantsoa.