FANDRAISANA FITANTANANA TEO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Nandray ny fitantanana ny antokon-draharaha misahana ny volamena na ny « Agence Nationale de la filière Or (ANOR) amin’ny maha Tale Jeneraly mpisolo toerana azy Andriamatoa RATSIMBAZAFY Miharinjato, taorian’ny fanendrena azy nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 22 May 2024.
Tontosa izany tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, androany Alakamisy 23 May 2024 ary natrehan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, ny Sekretera Jeneraly, ireo Tale Jeneraly sy Tale isan-tokony, teo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana sy ireo mpiasa ao amin’ny ANOR.
Niarahaba sy nirary soa ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, mba hahaleo hahalasa amin’ny andraikitra hosahaniny eo anivon’ity ratsa mangaikan’ny Ministera ity, ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ary niantso ny mpiara-miasa hifanohana hatrany sy hifanampy arakasa.
Fisaorana ireo tomponandraikitra tamin’ny fahatokisana nomena azy no nisantaran’ny Tale Jeneraly vao voatendry ny fandraisam-pitenenany, naneho ny fahavononany ary nanentana ireo mpiara-miasa hifanolo-tanana sy hiara-hisalahy hahatrarana ireo tanjona napetraka.