FISANDOHANA NY ASAN’NY POLICE DES MINES : Nitafa tamin’ny mpanao gazety Tale misahana ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany

Taorian’ny angom-baovao sy fitarainana voaray momba ny fisiana tranga mifanesy fisolokiana sy fisandohana ny andraikitry ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany, dia nisy ny fihaonana fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Tale misahana ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RATONSON Haridera, teny amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby androany Alarobia 04 Oktobra 2023. Fotoana nitondrany ihany koa, fanampim-panazavana momba ny anjara asa sy fomba fiasan’ity departemanta eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika ity.

« Voasoketa ny Fitaleavana miandraikitra ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Ministera amin’ny ankapobeny ». Tranga telo tamin’ny toerana telo samihafa hatreto no fantatra sy naharaisana fitarainana. Ny voalohany dia niseho tany Port-Bergé : fandravana sy fakana an-keriny ireo vokatra harena an-kibon’ny tany, miampy lelavola an-tapitrisany tamin’ny teratany vahiny; raha toa ka fakàna vato sarobidy mitentina amina miliara no nisy tany Firavahana Tsiroanomandidy ary fandravana vato cristal avy any Tsaratanàna no tranga fahatelo farany hita tao Andranovelona ny Asabotsy voalohan’ny volana Oktobra lasa teo. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ireo tranga ireo.

Nohamafisiny araka izany fa tsy avy amin’ny Ministera izany andian’olona nitonona ho Police des Mines izany, ary tsy fomba fiasan’ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany rahateo ny fihetsika miendrika fandrobàna an-kitsirano nataon’ireo olona voalaza ireo. Nampahafantariny koa, fa ankoatra ny fanamiana miavaka (Gilet Police des Mines) sy ny karatra maha-mpitandro filaminana ary ny Badge maha-Polisin’ny harena an-kibon’ny tany azy ireo, dia misy ny taratasy fanirahana mazava manamarina ny anton-dia sy ny toerana anatanterahana an’izany, rehefa mirotsaka an-kianja ireo mpitandro filaminana ao amin’ny Police des Mines ireo.

Antso avo no namaranany ny hafatra nampitainy :

  • Ho an’ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny asa fihariana harena an-kibon’ny tany : mba hanara-dalàna amin’ny fananana ireo antontan-taratasy takian’ny asa atao, hanefa ireo volam-panjakana tandrify izay tokony aloa, sahy hijoro manana ny rariny manoloana izay asa fisolokiana sy fisandohana andraikitra
  • Ho an’ireo niharam-pahavoazana : mba hitoroka sy hametraka fitarainana eny anivon’ny ambaratonga mahefa.

Raha misy tranga mampiahiahy sy ilàna azy ireo dia misy ny laharana maitso izay afaka antsoina, miasa amin’ny ora sy andro rehetra dia ny laharana 032 32 119 18 na ny 918 (Orange)

MMRS/DCRI – Octobre 2023