Mandray anjara amin’ny Sommet sur les Minéraux Critiques et les Énergies Propres, izay tanterahana any Paris (Frantsa) i Madagasikara.

Nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier nandritra ny lanonam-panokafana an’izany Fihaonana an-tampony momba ireo akoran-karena saro-pady sy ny angovo madio izany

Ny sampana iraisam-pirenena momba ny angovo (AIE) no nikarakara ny hetsika ary mpandray anjara avy amin’ny firenena 50 maneran-tany ahitana tomponandraiki-panjakana samihafa, mpitantana orinasa, mpandraharaha sy mpampiasa vola iraisam-pirenena ao anatin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany sy ny angovo, fiarahamonim-pirenena sy mpisehatra maro hafa isan-karazany, no mikaon-doha mandritra izany.

Ao amin’ny Foiben’ny AIE, ao Paris Frantsa, no anatanterahana ny hetsika izay zary ambohipihaonan’ireo firenena mpamokatra sy ireo firenena mpanjifa an’izany akoran-karena saropady izany. Voasolo tena, manana mpandray anjara ao avokoa ny avy amin’ireo Kaontinanta rehetra, raha ny voalaza.