FITOKANANA NY BIRAON’NY FITANTANAN-DRAHARAHAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY – BAM MIANDRIVAZO

Fanamby napetraka ny fampandrosoana ireo faritra rehetra manerana an’i Madagasikara tsy ankanavaka, amin’ny alalan’ny Fanjakana manakaiky vahoaka. Notanterahana ny 08 Oktobra 2023 tao amin’ny Fokontany Ampanasana, Kaominina Ambonivohitry Miandrivazo ny lanonana fitokanana ny Biraon’ny fitantanan-draharahan’ny harena an-kibon’ny tany na « Bureau d’Administration Minière ».

Anisan’ny antoky ny fampandrosoana ity Faritra Menabe ity ny fanatsarana ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany maro izay ananan’ny Faritra betsaka, indrindra ny volamena.

Nanolotra izany fotodrafitrasa vaovao izany tamin’ny fomba ofisialy Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena André Haja RESAMPA sady mpiahy ny Faritra Menabe. Tonga maro nanotrona ny lanonana fanolorana an’izany ireo manam-pahefana sy olobe tany an-toerana, nahitana an’Andriamatoa Governoran’ny Faritra Menabe, Ramatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miandrivazo, ny Lehiben’ny Distrikan’i Miandrivazo, ireo Ben’ny tanànan’ireo Kaominina ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo dia Miandrivazo, Anosimena, Ankotrofotsy, Ambatolahy, Dabolava, Itondy, Manambina, Isalo, izay samy hisitraka izao fotodrafitrasa izao. Isan’ny mpisitraka mivantana sy namaly ny fanasana tamin’izany ihany koa ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany any an-toerana.

Naneho ny fahafaham-pony ireo tomponandraiki-panjakana nandray fitenenana ary velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana ireo mpahazo tombontsoa, satria ankoatra ny fahazoana fotodrafitrasa vaovao sady raitra, dia tsy voatery mandeha any Morondava intsony ireo mpisehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany fa ho vita eo an-toerana ny fikarakarana ireo antontan-taratsy mikasika izany, indrindra ny fandoavana ny tamberim-bidy anjaran’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Ankoatran’ireo sampandraharahan’ny Ministera amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, diaho hita eo anivon’izao izao biraom-panjakana izao ihany koa ny sampan’ny ANOR, ny BCMM ary ny sampan’ny tobim-pitiliana na Laboratoire des Mines de Madagascar.

MMRS/DCRI – Octobre 2023