FAMINDRANA ARAK’ASA

Taorian’ny Filankevitry ny Minisitra omaly Alarobia 17 Janoary 2024 dia notanterahana androany 18 Janoary tao Ampandrianomby ny famindrana arak’asa teo amin’Andriamatoa isany VELONARIVO Pascal Clovis, Tale Jeneralin’ny Harena an-kibon’ny tany teo aloha sy RAZANANIRINA Henri Délice, Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Ministera, izay hisahana vonjimaika izany andraikitra izany manomboka androany.

Nanome voninahitra izany fotoana izany Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Ministry harena an-kibon’ny tany, notronin’ireo mpiara-miasa isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera.

……………………

PASSATION DE SERVICE

Suite au Conseil des Ministres du mercredi 17 janvier 2024, une passation de service a eu lieu entre Monsieur VELONARIVO Pascal Clovis, Directeur Général des Ressources Stratégiques sortant et Monsieur RAZANANIRINA Henri Délice, Secrétaire Général, qui va assurer l’intérim de ladite Direction Générale, ce 18 janvier 2024 à l’Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby.

Le Ministre des Mines Monsieur RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier a honoré de sa présence la cérémonie de passation, assistée également par les différents dirigeants et les représentants du personnel du département ministériel.

Ministère des Mines | DCRI – Janvier 2024