FANATSARANA NY FITANTANANA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : NANOME TOROMARIKA ARAKASA IREO TALEM-PARITRA SY TALE IRAISAM-PARITRA NY MINISITRA

Amin’izao fanombohan’ny taom-piasana vaovao 2024 izao, ary indrindra taorian’ny fanendrena azy indray hitantana ny Ministera, dia nanome toromarika avy hatrany ho an’ireo Talem-paritra sy Tale isam-paritra manerana ny Nosy ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, androany Talata faha-16 Janoary 2024 tao Ampandrianomby. Ho fandrindràna sy fanatsarana ny fomba fiasa ary fanohizana ireo asa natomboka eny anivon’ny fari-piadidian’izy ireo avy no isan’ny niompanan’ny dinika, satria izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny asa eny ifotony.

Nampatsiahivin’Andriamatoa Minisitra ary nampitainy tamin’ireto tomponandraikitra ifotony ireto ny toromarika avy amin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hanatanterahana ny asa am-pamendrehana sy amim-pahamarinana hatrany ary tsy misy kolikoly.