FAMPITAM-BAOVAO FARITRA VATOVAVY

Ny 19/05/2025 dia nidina tany amin’ny Kaominina Adonabe ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy niaraka tamin’ny kaomandan’ny zandarmaria ao Antsenavolo, nanatrika ny fampiasana « explosifs » ho fanapoahana vato hitrandrahana harena an-kibon’ny tany izay nataon’ny Société iray miasa ao.

Ny 20 Mey hatramin’ny 22 Mey dia nitohy tany amin’ny Kaominina Ambakobe Distrika Nosy-Varika ny fidinana ifotony. Ka tamin’izany indrindra no nihaonana tamin’ireo Vondron’ny mpitrandraka madinika izay efa nahazo fahazoan-dalana hitrandraka na AMEA, nefa mbola tsy nahavita hatramin’ny farany ny antotan-taratasy ilaina toy ny sata mifehy, natao moa ny fanentanana ary vonona izy ireo hamita hatramin’ny farany ny fikarakarana.

Nararaotina ihany koa ny fanentanana ireo mpitrandraka mbola tsy anatin’ny ara-dalàna mba hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Torak’izany ihany koa ireo mpividy volamena, namporisihina izy ireo mba hanara-dalàna.

Ny 23 Mey indray dia nidina tany amin’ny Kaominina Ampasinambo Distrika Nosy-Varika ihany nampahafantatra ireo vondrona mitrandraka volamena ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy