ATRIKASA FANOFANANA IREO MPITANDRO NY FILAMINANA NOTONTOSAIN’NY FITALEAVAM-PARITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY BETSIBOKA

Nanatontosa atrikasa fanofanana ireo mpitandro ny filaminana mifandraika amin’ny ny asa manodidina ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany ny fitaleavam-paritry misahana izany ao Betsiboka, ny 14 May 2025 lasa teo, tao amin’ny Hotely Mandarin, Kaominina ambonivohitr’i Maevatanàna.

Tanjona nokinendry tao anatin’ity fanofanana ity ny nitondrana fampahafantarana sy fanentanana ho an’ireo mpitandro ny filaminana mikasika ireo lalàna sy rijanteny manan-kery eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ireo karazana tamberim-bidy sitrahan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, fa indrindra ny mikasika manokana ny fitaterana ireo vokatra harena an-kibon’ny tany. Ankoatra ireo dia nampahafantarina ireo mpandray anjara ihany koa ireo karazana fahazoan-dalana sy fanomezan-dalana eo amin’ity sehatra ity.

Marihana fa ity hetsika ity dia nifandrimbonan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DR Mines Betsiboka sy ny Foibem-pitondrana misahana ny raharaha ara-pitsarana (DAJ) eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany. Ankoatra ireo mpitandro filaminana dia nandray anjara koa ireo tomponandraikim-panjakana avy amin’ny sehatra samihafa nahitana ny avy amin’ny faritra, fitsarana, indostria sy varotra, tontolo iainana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DR Mines Betsiboka