FAMPAHAFANTARANA NY MPANDRAHARAHA IREO ANTSIPIRIAN’NY FEPETRA AMPIHARINA AMIN’NY FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY TAORIAN’IREO FANAVAOZANA SAMIHAFA

Nikarakara fihaonana nampahafantarana ireo pitsopitsony amin’ny fanitsiana ampiharina amin’ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ho an’ireo mpisehatra am-perin’asa amin’ny fikarohana, fitrandrahana, fividianana sy fanondranana ireo vokatra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny Ministera misahana izany teny amin’ny Mining Business Center etsy Ivato, androany Zoma 23 May 2025.

Tan-tsoroka avy amin’ny Ministera ho an’ireo mpisehatra ity hetsika ity handaminana sy hampiroboroboana ny seha-pihariana mifanaraka amin’ireo fanavaozana rehetra natao. Isan’ny fanavaozana notanterahana ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ireo didim-panjakana fampiharana mikasika izany, ny fahazoan-dalana, ny momba ny tamberin’andraikitra ara-tsosialy ataon’ny tetikasa, ireo karazana haba sy hetra, sns… Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fampahafantarana ny zo sy andraikitra takian’ny lalàna sy manandrify ireo tompona fahazoan-dalana isan-tsokajiny araka ireo voafaritra ao anaty fanovana sy fanavaozana natao.

Nalalaka ireo mpisehatra nitondra ny fanehoan-keviny, manodidina ireo teboka ilana fanampiana sy fanampim-panazavana ny amin’ireo fanavaozana mifandraika amin’ny asa fihariany izay.

Santatra am-bavarano ihany ny androany ary tsy hijanona ho an’ny eto an-drenivohitra fotsiny ny hetsika fa hahazo ny anjarany koa ny any amin’ny faritra.