FAKAN-KEVITRA MIKASIKA NY FETRAM-BIDY HO AN’NY FANONDRANANA NY VOKATRA HARENA AN-KIBON’NY TANY NIARAHAN’NY AVY EO ANIVON’NY MINISTERA TAMIN’IREO MPANDRAHARAHA MPISEHATRA

Namory ireo mpandraharaha misehatra amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany tao amin’ny efitrano Lacroix Ampandrianomby ny avy eo anivon’ny Ministera Foibe, avy amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fanondranana sy ny Sanda « Direction des Exportations et de Valeur » ny Alakamisy 22 May 2025. Hetsika nandraisana ny hevitr’ireo mpisehatra manodidina ny fampanarahana vanim-potoana na « mise à jour » ny didim-pitondrana mifandraika amin’ny fetram-bidy ho an’ny fanondranana ireo vokatra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany (valeurs marchandes de référence).

Tanjona ny hanohizana ny ezaka mifototra amin’ny fangaraharahana sy ny ara-drariny amin’ny fametrahana izany « valeur marchande » izany fa eo ihany koa ny fanajana ny fepetra amam-pitsipika mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny.

Mpandraharaha mpisehatra an-jatony no tonga namaly ny antso sy nandray anjara ity fivoriana ity izay marihana fa mifanohy amin’ny fakan-kevitra efa notontosaina tamin’ny 18 Desambra 2024.

Tapaka nandritra ny fakan-kevitra ary ny fananganana kaomity ahitana mpikambana miisa 15 nofidian’ireo mpandraharaha mpisehatra hisahana ny momba io fanavaozana ny fetram-bidy ivarotana ny vokatra harena an-kibon’ny tany io ka io kaomity io no hiara-hiasa amin’ny Ministera amin’ny fametrahana ny fetram-bidy vaovao.