Vahinin’ny fandaharana ZAKAY ARIK’ARO tao amin’ny TV PLUS Madagascar ny Zoma 23 Jona 2023 ndroany, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Manasa anao hanaraka manontolo izany Fandaharana izany, hahitanao ireo fanazavana sy valin’ny fanontaniana maro nahaliana antsika hatramin’izay : https://www.youtube.com/watch?v=zTAOTMUvizw

Maro be ireo lohahevitra nampametra-panontaniana antsika mpanara-baovao sy fanehoan-kevitra manodidina ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany tato ho ato izay Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny Alarobia 22 Jona 2023 ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa QMM SA : manao ahoana ny fiarovana ny tombontsoan’ny Malagasy ? hihena tsikelikely ve ny anjaran’ny Fanjakana malagasy ? sns…

 Fanazavàna momba ireo santionan’ny andininy ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao: Fanafoanana ny trosa fampiakarana renivola indroa miantoana mitentina 77, 2 tapitrisa USD, nofoanana ihany koa ny trosa mitentina 3 tapitrisa USD izay vola tokony haloan’ny JIRAMA amin’ny QMM momba ny famatsiana herinaratra, fandraisana anjara 15% tsy azo ahena (non diluable) ho an’ny Fanjakana Malagasy, niady varotra ny Fanjakana ary nandresy lahatra ny hisian’ny zara tombom-barotra mialoha, hahafahana manenjika ny fahatarana isan-karazany, ny momba ny sosialy eny ifotony sy ny tetibola RSE izay niakatra ho 4 tapitrisa USD isan-taona ary ny fepetra fampiasana ny teti-bola amin’izany, hanaovana ny asa sosialy eo amin’ny tena faritry ny fitrandrahana sy asa fampandrosoana ny faritra manodidina ny toeram-pitrandrahana, fikajiana ny tontolo iainana sy fampiasam-bola ataon’ny QMM mba hahafahan’ny Fanjakana mividy ny crédit carbone, fanokanana 13 tapitrisa USD ho fandraisana an-tanana ny fikirakirana ny rano maloto ateraky ny tetikasa, sns

Momba ny Tahirm-bolamenan’i Madagasikara sy ny seha-pihariana volamena :

ahoana ny fandefasana ireo volamena tany ivelany, momba ny tahirim-bolamena or monétaire tafapetraka ankehitriny ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, sns

 Fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny fametrahana ny Tahirim-bolamena ka tanteraka izany ankehitriny. Nitondran’Andriamatoa Minisitra fanazavàna koa ny momba ny Tahirim-bolamenam-pirenena sy ireo tsara ho fantatra manodidina izany,  noresahany koa ny momba ny seha-pihariana volamena toy ny fanokafana indray ny fanondranana volamena ofisialy sy ireo fepetra manodidina izany, indrindra momba ny fampodiana ny vola vahiny azo avy amin’izany, ny fametrahana ny Guichet Unique d’exportation mba hampihenana ny fahasahiranana ateraky ny fivezivezen’ny mpandraharaha, momba ny fanavaozana tanteraka ny Sata mifehy ny volamena na Régime de l’or

Manan-karena an-kibon’ny tany i Madagasikara, aiza izay fiantraikany amin’ny toe-karem-pirenena ?

Fanazavàna ireo asa fanavaozana mifanesy nentin’ny Ministera ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy tanterahan’ny Governemanta ( fampiakarana ny fetram-bidy ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany na mise à jour des valeurs marchandes des produits miniers, paikady fampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny fametrahana ny Zone d’encadrement sy fanomezana tantsoroka ho azy ireo mba haha-matihanina ny asany, anaty sehatra ara-dalàna)

 Nohamafisiny ny Tatitry ny asa vita nataony teny anivon’ny Antenimieram-pirenena, naneho fa tena nitondra aina vao ho an’ny toe-karem-pirenena izany fanavaozana rehetra izany satria ny Taona 2022-2023 dia 87 953, 06 milliards Ariary ny Recettes non fiscales tafiditra ; ny 934 ,62 milliards Ariary avy amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany na valeur d’exportation de produits miniers déclarés (ka 5 440 427 021 357 Ariary ny taona 2022, ny tahan’ny fampodiam-bola vahiny na rapatriement des devises azo avy amin’izany dia maherin’ny 93%).

Tsy mbola nisy tao anatin’ny taona maro izany vokatra izany, nanampy tamin’ny fahamarinan-toeran’ny Ariary manoloana ny zava-misy miantraika amin’ny tontolo ara-barotra maneran-tany, ary mbola hiakatra hatrany, indrindra amin’izao fisokafan’ny fanondranana ofisialy ny volamena izao

Lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny Volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara na ny Code Minier : nahoana no nahena ny velaran-tany azo iasàna? manao ahoana koa ny fe-potoana iasàna, ny fametrahana sy fanajana ny fitsinjaram-pahefana? ahoana ny fitsinjovana ireo mpitrandraka madinika? ireo fanontaniana maro sy fanehoan-kevitra momba ny hetra sy tamberim-bidy, sns

Namerina nanazava hatrany izy ny momba ireo fanavaozana nisongadina ao anatin’ny Volavolan-dalàna Code Minier vaovao

Ampahany ihany amin’izay maro voalaza ireo fa afaka arahanao amin’ity rohin’ny Fandaharana ity ireo fanazavana tena mahaliana sady narahana fizaràna fahalalana tsotsotra nentin’Andriamatoa Minisitra momba izany : https://www.youtube.com/watch?v=zTAOTMUvizw