FARITRA MENABE : ATRIK’ASA FAKAN-KEVITRA NASIONALY MOMBA NY SEHA-PIHARIANA VOLAMENA AO ANATIN’NY KAOMININA DABOLAVA-DISTRIKA MIANDRIVAZO
Miroso hatrany amin’ny fanohizana ny ezaka atao amin’ny fametrahana rojom-pamatsiana volamena tompon’andraikitra sy maharitra ny Ministeran’ny Harena ankibon’ny Tany, amin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneraly ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Centrale de l’Or de Madagascar. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny PNUD, sy ny fanarahana ny fenitry ny OCDE ary ny tetik’asa famatsiana ny tahirim-bolamena eo anivon’ny BFM.
Ao anatin’izany indrindra no nanatanterahana ny fanadihadiana sy ny fakan-kevitra teny ifotony, nandritra ny volana novambra 2024, ary nanomanana ny fotoana manokana ho an’ny fakan-kevitra nasionaly, ny talata 27 desambra 2024 lasa teo tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina.
Ny atrik’asa dia nahitana ny fandraisan’anjaran’ny Sampandraharaham-panjakana samihafa, ny PNUD, ny BFM, ny Vovonan’ny Fiaraha-monim-pirenena misahana ny Harena an-kibon’ny Tany, ny mpandraharaha amin’ny asa fihariana volamena (mpitrandraka, mpanangona, mpanondrana, mpanefy firavaka), ny Federasiona iombonan’ny Mpandraharaha amin’ny sehatry ny Harena an-kibon’ny Tany, ary nahafahana nanatratra ny tanjon’ny atrik’asa. Arak’izany dia nisy ny fanampin-kevitra nentina hanatsarana ny antontan-kevitra vonona ary nisy ihany koa ny soso-kevitra hahatongavana amin’ny asa fihariana tompon’andraikitra sy maharitra, izay sady mitsinjo ny tombontsoan’ny mpiantsehatra rehetra, no mampandroso ary mikajy ny tontolo iainana manodidina azy ireo ary manaraka ny volazan’ny didy aman-dalàna manan-kery.
Teo am-pamaranana no nampahafantarana ny mpiantsehatra rehetra ny tondrozotra ankapobeany mamaritra ny asa ho tanterahan’ny Minisitera misahana ny Harena an-kibon’ny Tany, araka ny tolo-kevitra voangona nandritra ny atrik’asa sy ny tolo-tanana avy amin’ny PNUD, izay mpiara-miombon’antoka stratejika amin’ny firosoana amin’ny dingana lavidavitra kokoa amin’ny fametrahana ny rojom-pamatsiana volamena tompon’andraikitra sy maharitra.
Fampitam-baovao sy sary : DGM