FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2024-2025, TAO ANDEKALEKA

« Ny ala no antoky ny rano sy ny angovo »,

Lohahevitra nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo taona 2024-2025, tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andekaleka, Faritra Atsinanana, androany Alatsinainy 16 Desambra 2024.

Nanokatra izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ary ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta.

Tonga maro ny mpandray anjara isan-tsokajiny niara-nientana sy nanatanteraka ny adidiny, isan’izany ny avy eto amin’ny Mnisteran’ny Harena an-kibon’ny tany.

Zanakazo 37 karazana mahatratra 80.000 isa no novolena tamin’ny velaran-tany 50 nandritra izany, izay nandraisan’ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany anjara nampian’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Ministera DRMIM Atsinanana.

Nanao antso tamin’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka hiaro sy hamboly hazo ny Filoham-pirenena tao anatin’ny fandraisam-pitenenana nataony. Adidy ho an’ny taranaka fara mandimby sy ny Tanindrazana izany, ary adidy ny mamela lova tsara ho an’ny taranaka.