FARITRA VAKINANKARATRA : FIDINANA IFOTONY MIALOHAN’NY FANAVAOZANA NY PRE SY FITSIRIHANA IREO « ZONES D’ENCADREMENT » NAHAZO ALALANA TAO ALATSINAINY IBITY, SAHANIVOTRY, MAHAIZA, ANJOMA RAMARTINA, VASIANA

Nanomboka ny 12 Jiona 2023 ny fidinana ifotony mialoha ny fanavaozana ny PRE sy fitsirihana ireo toerana voafaritra natokana ho « zones d’encadrements » nahazo alalana tao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Fidinana ifotony izay notanterahin’ny komity misahana ny « Renouvellement PRE sy ny Evaluation des zones d’encadrement » izay ahitana ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika sy ny BCMM Vakinankaratra ary ny ekipan’ny CSSE avy any Antananarivo.

Roa herinandro izay no nantontosana izany fidinana ifotony izany ka Distrika telo (3) no efa nanaovana izany dia ny Distrika ANTSIRABE II, Distrikan’ny BETAFO ary ny Distrikan’ny MANDOTO. Amin’ny ankapobeny dia nizotra tsara ny asa, tsy nisy sakantsakana ary tsy nahitana olana na teo amin’ny tompon’ny PRE izany na niaraka tamin’ireo fikambanana mpitrandraka madinika nahazo ny « zone d’encadrement ».   

Nandritra ireo roa herinandro ireo dia PRE miisa dimy ambin’ny folo (15) ary zones d’encadrement miisa efatra (04) no nanaovana fidinana ifotony, tao amin’ny Distrikan’ANTSIRABE II sy BETAFO, dia ny Kaominina Alatsinainy Ibity – Kaominina Sahanivotry – Kaominina Mahaiza –  Kaominina Anjoma Ramartina – Kaominina Vasiana.

Mbola hitohy izany fidinana ifotony izany ka ny ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Belazao, Ankazomiriotra, Betsohana ary Fidirana indray no hanohizana izany.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Vakinankaratra

MMRS/DCRI – Juin 2023