FANKALAZANA NY FETIN’NY NOELY 2024 : FIZARANA FANOMEZANA « PANIER GARNI » HO AN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY MPIASA EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Notontosaina tao amin’ny efitrano Lacroix Ampandrianomby androany Zoma 20 Desambra 2024 ny fizarana fanomezana ho an’ny fianakaviamben’ny mpiasa eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany hiarahan’izy ireo mifaly amin’ny ankohonany amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely izao.

Fisaorana ireo mpiasa tsy ankanavaka tamin’ny ezaka nataon’ny tsirairay nahazoana ireo vokatra nandritra ny taom-piasana 2024 no nivoitra tao anatin’ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Nanentana ihany koa izy ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany. Nisaorany manokana ihany koa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny nenti-manana tamin’ireo fanomezana natolotra ny mpiasa ary tsy adinony ny nitondra teny firariantsoa ho azy ireo sy ny ankohonany mba samy hanao fety sambatra.Ny Sekretera Jeneraly RAZANANIRINA Henri Délice no nisolo tena ny mpiasa nitondra ny firariantsoa ho an’Andriamatoa Minisitra sy ny ankohonany koa, no sady nankasitraka azy. Nanamafy ny fisaorana avy amin’ny mpiasa tsy ankanavaka izy ho an’ireo tomponandraikitra mpitantana rehetra eto anivon’ny Ministera sy ireo mpiara-miombonantoka izay niara-nifarimbona nahatontosana ny hetsika fanomezana nozaraina ho an’ny mpiasa. Nanome toky izy fa mbola vonona hanohy ny ezaka sy fiaraha-miasa hampandrosoana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny firenena ny mpiara-miasa.