LALAON’NY NOSY 2023 : NANOLOTRA TSO-DRANO SY FITAOVANA HO AN’IREO ATLETA MANDRAY ANJARA AMIN’NY LALAON’NY NOSY NY FILOHAM-PIRENENA

Mahamasina, 23/08/2023 – Fankasitrahana sy fanehoana ny fahavononan’izy ireo hanome ny tsara indrindra sy hibata fandresena maro no nasetrin’ireo atleta malagasy hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023 ny Fitsofan-drano sy fanolorana fitaovana ho azy ireo tsy an-kanavaka, avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ireo mpikambana avy ao amin’ny Governemanta androany.

 Nihaona tamin’ireo mpilalao Tsipy Kanetibe ireo Minisitra mirahalahy miahy izany Taranja izany, dia ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa ary ny lalàna sosialy Richard Jean Bosco RIVOTIANA, ary nifanakalo hevitra amin’izay hahatontosan’ny fandraisana anjara antsakany sy andavany hatrany.

MMRS/DCRI-Août 2023