NOUVELLE CONVENTION ENTRE L’ETAT MALAGASY ET QMM S.A : le nouveau Protocole d’Accord a été officiellement signé
Ivandry Antananarivo, 22/08/2023 – Les deux Parties constituées par l’Etat Malagasy, représenté par le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques ainsi que le Directeur Général par intérim de l’OMNIS, d’une part ; et la compagnie minière QMM S.A, d’autre part, ont procédé à la signature du nouveau Protocole d’accord qui va régir la collaboration entre eux pour les 25 prochaines années.
La Signature de ce nouveau Protocole d’accord fait suite au Conseil des Ministres du 21 juin 2023, approuvant la signature d’une nouvelle convention entre l’Etat Malagasy et la compagnie minière d’exploitation d’ilménite QIT Madagascar Minerals (QMM S.A), la convention d’établissement initiale étant arrivée à expiration.
« L’avenant de la convention d’établissement a été élaboré en tenant compte des meilleurs avantages dont Madagascar peut bénéficier, sans pour autant léser la compagnie qui apporte son investissement » a expliqué le Ministre RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Il a également précisé que la signature officielle réalisée est le résultat de longues séries de négociations et a tenu à remercier particulièrement Son Excellence Monsieur le Président de la République de Madagascar qui a défendu jusqu’au bout les intérêts du pays, notamment dans le cadre de la réalisation du Velirano 10 « Gestion durable de nos ressources naturelles ». D’autant plus que les ressources minières sont des ressources non renouvelables.
Ci-après le lien du Compte-rendu du Conseil des Ministres du 21 juin 2023 qui comporte un résumé des nouveaux accords :
——————————-
FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY QMM SY NY FANJAKANA MALAGASY : Voasonia ny Fifanarahana vaovao ho an’ny 25 taona manaraka
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Ivandry ny Talata faha-22 Aogositra 2023 ny fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany QIT Madagascar Minerals (QMM S.A). Ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena stratejika sy ny Tale Jeneraly mpisolo toerana OMNIS no nanatontosa izany, amin’ny anaran’ny Fanjakana malagasy, ary ireo mpitantana ny orinasa kosa ho an’ny QMM S.A.
Izao no natao dia ho fanatanterahana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 21 Jona 2023, sy taorian’ny fandaniana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny faha-23 Jona 2023 ny Volavolan-dalàna laharana faha 020/2023, mitondra ny fankatoavana ny fanovana ny fifanarahana momba ny orinasa eo amin’ny Fanjakana malagasy izay soloin’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS) tena sy QIT-FER ET TITANE INC. Natao ho an’ny fikarohana sy ny fitrandrahana momba ny harena an-kibon’ny tany, tafiditra anatin’izany ny fanasarahana, ny fanatsarana sy ny fikirakirana ny mineraly misy ao anatin’ny toerana itrandrahana fasika mineraly any Taolagnaro, sy ny fanondranana ary ny fivarotana ireo mineraly azo avy amin’ny fasika.
Afaka arahinao amin’ity rohy ity ny Tatitry ny Filankevitry ny Minisitra natao ny 21 Jona 2023, ahitana ny fintin’ireo fifanarahana vaovao :
MMRS/DCRI – Août 2023