FEHEZAN-DALANA MOMBA NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : FAMPIELEZANA NY LALANA 2023-007 NATAO TANY ANTSIRABE

Ho fampielezana ny Lalàna laharana faha 2023-007 nanavaozana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, dia nisy ny fampahafantarana sy famelabelarana momba ireo didy amam-pitsipika voarakitra ao anatin’izany, izay notanterahan’ny delegasiona avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany foibe sy ny Fitaleavam-paritra DRMIM Vakinankaratra ary ny BCMM tao Antsirabe, ny Alarobia 12 Jona 2024

Tafiditra ao anatin’ireo fandaharanasan’ny Ministera, taorian’ny fivoahan’ny Fehezan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany ny fampielezana izany mba hampahafantarana sy hanamorana ny fahazoana azy amin’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo tomponandraiki-panjakana izay samy voakasik’izany avokoa.

Teo anivon’ny efitrano malalaka Faritra Vakinankaratra no nanatontosana ny famelabelarana narahana fanontaniana sy valiny, natrehan’ny solotenan’ny antokon-draharaham-panjakana any an-toerana, nahitana ny avy eo anivon’ny Faritra, Kaominina, mpitandro filaminana, mpandraharaha, mpikirakira sy mpanodina vato, mpivarotra sy mpividy vato, tompona fahazoan-dalana momba ny harena an-kibon’ny tany, ireo mpitrandraka artizanaly mivondrona anaty « Zone d’encadrement ».

Dingana iray goavana ny nahatontosana ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ary lahasa mitohy manaraka ny fampielezana izany ho an’ireo mpiantsehatra isan-tsokajiny manerana ny Nosy, toy izao notanterahana izao ; satria na mbola eo am-piandrasana aza ny Didy fampiharana izany lalàna vaovao izany dia misy ireo andininy maro izay efa mihatra sy manan-kery.

Fanatsarana ny tontolon’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany sy fanamafisana ny fandraisany anjara amin’ny fampiroboroboana ara-ekonomika ho fampivoarana an’i Madagasikara no tanjona ary tafiditra tanteraka amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izany.

DAJ-DCRP/MIM Juin 2024