FARITRA MENABE : FIDINANA IFOTONY FANENTANANA SY FANABEZANA NY OLOM-PIRENENA (IEC) NIARAHANA TAMIN’NY FIRAISAMONIM-PIRENENA “FIVE MENABE” TAO AMIN’NY DISTRIKA MIANDRIVAZO SY DISTRIKA BELO/TSIRIBIHINA
Ny 25 ka hatramin’ny faha 28 septambra 2024 lasa teo dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Ambatolahy Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy, Fokontany Andimaka sy Ankiranomena ary Betamotamo, samy ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Dabolava ho an’ny Distrika Miandrivazo. Nitohy izany ny 03 ka hatramin’ny 06 oktobra 2024 tao amin’ny Fokontany Bebozaka, Kaominina Ambanivohitra Antsoha sy Fokontany Antsiraraka, Kaominina Ambanivohitra Tsaraotana ho an’ny Distrikan’i Belo/Tsiribihina.
Hetsika izay niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena An-kibon’ny tany DRMIM Menabe tamin’ny firaisamonim-pirenena “FIVE MENABE”.
Tanjona nandritra ity fidinana ifotony ity ny fampahafantarana ny vahoaka ireo lalàna mahakasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny mety ho fiantraikan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny fiovan’ny toetrandro ary ireo mety ho endrika kolikoly hita ao anatin’ity sehatra ity. Ary ny vokatra andrasana dia ny hitomboan’ny mpisehatra rehetra ho ao
anaty valan’ny ara-dalàna hahazoan’ny Fanjakana na ny kaominina indrindra fa ny vahoaka tsy ankanavaka misitraka ny tombontsoa aterak’izany.
Ny FIVE MENABE, niorina tamin’ny taona 2015 ary ahitana mpikambana maherin’ny 300 ao anaty Faritra Menabe, dia efa mpiara-miasa akaiky amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Menabe nanomboka ny taona 2016. Isan’ny andraikitra sahaniny ny fanabeazana ny olom-pirenena, ny fampanajana ny zo maha olona ary ny fanaovana adisisika amin’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny, mba hamaly ny hetahetan’ny mponina sy ho an’ny tombotsoan’ny daholobe.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Menabe