HETSIKA IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA NA JOURNEE INTERNATIONALE DES REGIONS (JIR) ANDIANY FAHASIVY- FARITRA SAVA

Nandray anjara amin’ny ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra na Journée Internationale des Régions (JIR) andiany fahasivy , izay tontosaina ny faha-07, 08 sy 09 Jona 2024 ao Sambava renivohi-paritra SAVA, ny avy a amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM SAVA sy ny BCMM Sambava.

Hetsika izay tanterahana eo ambany fiahian-dRamatoa Ministry ny Raharaham-bahiny,  izay misolotena ny  Praiministra lehiben’ny governemanta, eo koa  ny Ministry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ireo masoivoho maro, ireo vondrona iraisam-pirenana, ireo mpiara miombonantoka ara teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara. Maro ny mpandray anjara toa ireo sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny, ireo orinasa, ireo fiarahamonim-pirenena,  izay mandranty ireo tsara ho fantatra sy ny tolotra misy ao amin’ny tsirairay avy.

Ny hetsika JIR dia fanomezan-danja ireo Faritra ka fotoana hanehoany ireo otrikarena misy ao aminy sy ny mampiavaka azy rehetra mba hivadika vina ho an’ny fampandrosoana ny Faritra.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM SAVA