Fametrahana Zone d’encadrement Distrika Andilamena : Fidinana ifotony tao Antsomangana
Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fanaovana ho matihanina sy ara-dalàna ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika, amin’ny alalan’ny fanomezana tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka madinika hiasa anaty Zone d’encadrement, tanterahan’ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera amin’ireo Fitaleavana isam-paritra. Manoro sy manome toromarika ho azy ireo amin’ny lafiny ara-panjakana, ara-tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana, anaty fampiharana ny lalàna manankery.
Manerana an’i Madagasikara no hanaovana izany tantsoroka izany ka ny 06 ka hatramin’ny 08 Jona 2024 dia nisy ny fidinana ifotony izay notontosain’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro, niarahana tamin’ny Ben’ny tanàna sy ny lefitry ny Chef District tao Antsomangana, Kaominina BEMAITSO, District Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro.
Fijerena ny fitrandrahana spectrolite, izay ahitana mpitrandraka madinika maro no notanterahana, ary izao no natao dia mba hahafahan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika miditra ao anatin’ny sehatra ara-dalana sy matihanina kokoa.
Mialoha izany dia nisy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikim-panjakana eny ifotony, nahafahana nanazava ireo lalàna mifehy ny fametrahana izany “Zone d’encadrement » izany, ary koa niresahana sahady ireo dingana manaraka tokony hatao mba hanamorana ny fananganana fikambanana ho an’ny mpitrandraka madinika.
Nankasitraka ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany moa na ireo solotenam-panjakana eny ifotony na ireo mpitrandraka amin’izao ezaka lehibe amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatry ny ara-dalàna izao.
Fampitam-baovao sy sary: Talem-paritra DRMIM Alaotra Mangoro