FARITRA MENABE : Fidinana ifotony ho fametrahana faritra voatokana hiantsorohana ho an’ny mpitrandraka volamena madinika na « zone d’encadrement », Fokontany Beoro, Kaominina Ambanivohitra Isalo, Distrika Miandrivazo

Tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany ny fampidirana ireo mpitrandraka artizanaly amin’ny sehatra ara-dalana sy fanaovana matihanina azy ireo.

Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Beoro, Kaominina Ambanivohitra Isalo, Distrika Miandrivazo ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Menabe ny talata faha 02 Jolay 2024, fihaonana tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika any an-toerana. Fidinana ifotony izay niarahana tamin’ny Lehiben’ny Distrikan’ny Miandrivazo sy ny Lefitra voalohany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Isalo.

Nisy araka izany ny fampahafantarana ireo mpitrandraka madinika mampiasa ny teknika artizanaly ny dingana rehetra mila lalovana, ahafahan’izy ireo miditra amin’ny sehatry ny ara-dalana. Namafisina tamin’izany ihany koa ny fitandroana hatrany ny tontolo iainana eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny fandrarana ny fampiasana ny zaza tsy ampy taona.

Nisaotra sy nankasitraka ireo tompon’andraikim-panjakana ireo ny mpandray anjara sy ny mponina rehetra ary vonona tanteraka ny hiasa ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna sy ny tokony hanajana sy hiarovana hatrany ny tontolo iainana.

Fampitam-baovao sy sary : DRMIM Menabe

MIM/DCRP – Juillet 2024