FARITRA VATOVAVY : Nandray ny fitantanana ny Talem-paritra ny Harena an-kibon’ny tany vaovao voatendry
Tontosa ny tolakandron’ny Alakamisy faha 27 Jona 2024, tao amin’ny BAM Mananjary, ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale iraisam-paritra teo aloha Andriamatoa isany RAONISON Ria sy RAZAFINDRAIZARA Jimm Clover Fidelios izay voatendry ho Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany vaovao misahana ny Faritra Vatovavy, araka ny fanapahan-kevitra nivoaka ny 13 Jona 2024 tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra.
Nitarika ny lanonana ny Prefen’ny Mananjary ary nanome voninahitra izany ny Governoran’ny Faritra Vatovavy sy Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany
Nanatrika izany ihany koa ireo Talem-paritra sy iraisam-paritra Matsiatra Ambony sy Vakinankaratra, ireo Talem-paritry ny Ministera namana any an-toerana, ny avy ao amin’ny BCMM Vatovavy sy Fitovinany, ny avy ao amin’ny ANOR, ny Ben’ny Tanàna Ambonivohitra Mananjary, ny Assistant VPS ary koa ireo mpisehatra sy mpandraharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy