AKOM-BAOVAO DRMIM Menabe : fametrahana faritra voatokana hiantsorohana ho an’ny mpitrandraka madinika ka tao amin’ny Fokontany Betamotamo, Kaominina Ambanivohitra Dabolava, Distrika Miandrivazo

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony nataon’ny avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Menabe ho fametrahana faritra voatokana hiantsorohana ho an’ny mpitrandraka madinika ka tao amin’ny Fokontany Betamotamo, Kaominina Ambanivohitra Dabolava, Distrika Miandrivazo indray no notontosaina izany ny alarobia faha 03 Jolay 2024. Toeram-pitrandrahana « Cristal inclusions de lepidocrocite et titane » ahitana mpitrandraka madinika no nanaovana fanentanana mba hidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Nisy ny fidinana ifotony niarahana tamin’ny kaomandin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena Miandrivazo sy ny Lefitra voalohany ny ben’ny tananan’ny Kaominina Ambanivohitra Dabolava.

Nisy ny fampahafantarana ireo mpitrandraka madinika ireo ny dingana rehetra tsy maintsy ho lalovany ahafahan’izy ireo miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna sy ny fanentanana azy ireo amin’ny fiarovana ny tontonlo iainana sy ny tsy tokony ampiasana ny zaza tsy ampy taona. Nisaotra ireo tompon’andraikim-panjakana amin’izao fanentanana izao ny solontenan’ireo mpitrandraka mandinika ary naneho ny fahavononan’izy ireo ny hisehatra amin’ny ara-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : DRMIM Menabe

MIM/DCRP – Juillet 2024