HERINANDRO NASIONALY MOMBA NY RANO
FANDRAISANA ANJARAN’NY MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY TAMIN’NY FAMELABELARAN-KEVITRA TENY AMIN’NY KIANJA BAREA NY 17 APRILY 2025
Momba ny paikady fototra sy tondrozotra apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fifampiraharahana amin’ireo mpandraharaha harena an-kibon’ny tany, mifandraika amin’ny Andraikitra ara-piarahamonin’ny Orinasa na Responsabilité Sociétale des Entreprises (RSE), indrindra ny fisitrahana rano fisotro madio, ka hisian’ny tombontsoa maharitra ho an’ny vondron’olona eny ifotony. Izany no lohahevitra novoaboasan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, izay nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra androany teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ao anatin’ny hetsika Herinandro Nasionaly momba ny rano, karakarain’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana, ny 16, 17, 18 Avrily 2025.
Voafaritra ao anatin’ny Fehezan-dalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany, ary fiovàna goavana anisan’ny nentin’io lalàna io, ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahan’ny orinasa madinika na salantsalany na vaventy tompona fahazoan-dalana misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany, ny Andraikitra ara-piarahamonin’ny Orinasa na Responsabilité Sociétale des Entreprises (RSE).
Raha toa ka fandraisana anjara an-tsitrapo, araka izay ataon’ny mpandraharaha ny RSE teo aloha dia andraikitra tsy azo ialàna izany ankehitriny, araka izay voalazan’ny lalàna.
Ho fampandraisana andraikitra bebe kokoa ireo mpiantsehatra voakasika, ny drafitra mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo RSE dia faritana amin’ny alalan’ny fifanarahana telolafy ary raiketina an-tsoratra eo amin’ny orinasa/tompo-mariky ny asa, ireo mpisitraka ny tetikasa ary ny fitantanan-draharaham-panjakana any ifotony. Izany no hatao dia mba samy ho tomponandraikitra ny telo tonta amin’ny fifampidinihana sy fanatanterahana sy fanaraha-maso an’izany Andraikitra ara-piarahamonin’ny Orinasa izany.
Azonao arahana amin’ity rohy https://web.facebook.com/share/v/1GAcdD6bqQ/ ny fizotry ny famelabelaran-kevitra notanterahan’ireo mpandray anjara isan-tsokajiny.
MIM/DCRP – Avril 2025