FARITRA ATSIMO ANDREFANA : Fivoriana OMC nasionaly tao Toliara, notarihan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta
Nanatanteraka fidinana ifotony eto Toliara ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, hotronin’ireo Minisitra miisa 11 mianadahy mpikambana eo anivon’ny Governemanta.
Nihaino sy nifampiresaka tamin’ireo tomponandraikitra ifotony sivily sy miaramila, ireo Raiamandreny ara-pinoana sy ara-drazana, ireo mpiantsehatra sy teknisiana avy ao amin’ny « Base Toliara », ny solontenan’ny antoko politika mpanohana sy mpanohitra, ary ireo solontenam-pikambanana maro samihafa.
Isan’ny mandrafitra ny delegasiona Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany.
Momba ny Faritra Atsimo Andrefana, nanamarika manokana Andriamatoa Praiminisitra fa isan’ny fanoitra hampiroborobo ny indostria ny fitrandrahana harena vaventy an-kibon’ny tany ka izany no niresahana manokana ny Tetikasa goavana ho tanterahan’ny orinasa Base Toliara.