FARITRA FITOVINAGNY : Fihaonana tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika sy mpividy volamena tao Ilakatra, Vohipeno

Araka ny tanjona Fanjakana manakaiky vahoaka dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany DRMIM Fitovinagny ny Asabotsy 12 Aprily 2025 lasa teo, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ilakatra, Distrikan’i Vohipeno.

Arak’izany dia nisy fihaonana tao amin’ny efitrano malalaky ny biraon’ny kaominina voalaza etsy ambony izay niarahana tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika sy ireo mpividy volamena, ny lehiben’ny Fokotany ary ireo mpanolotsaina kaominaly.

Natao indrindra izany mba hanazavana amin’ireo mpisehatra ireo lalàna mifandraika amin’ny asa fihariana volamena sy ireo tamberin’andraikitra tokony ho raisin’izy ireo. Nohazavaina tamin’izany ihany koa ny antony tsy maintsy hidirana amin’ny sehatry ny manara-dalàna sy fomba hanatanterahan’izy ireo an’izany.

Ho an’ny kaominina indray dia novelaberana tamin’izany ny tombotsoa ho azony amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpisehatra volamena ao aminy mba hahafahana manohana ny asa fampandrosoana eny ifotony.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM FITOVINAGNY.