FANAMBARANA

Mandalo kihon-dalana goavana ny firenena maneran-tany ankehitriny manoloana ny zava-mitranga tao anaty andro vitsivitsy izay. Heverina fa fotoana mety izao himasoana amin’ny fampanjariana ho harena afaka hositrahan’ny vahoaka malagasy ireo otrikarena voajanahary maro izay ananan’i Madagasikara, isan’izany ny harena an-kibon’ny tany izay tena fanoitra ho fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.

Taorian’ireo fanavaozana isan-karazany momba ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ireo rijan-teny mifanaraka amin’izany dia miroso amin’ny fampiharana ny vina sy paikady rehetra novolavolaina ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Tafiditra ao anaty Politika ankapoben’ny Fanjakana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana goavana amin’ny harena an-kibon’ny tany toy ny Tetikasa Base Toliara.

Araka ny fanazavana izay efa nentina momba io Tetikasa io dia efa napetraka avokoa ireo fepetra itsinjovana ny lafiny ara-tontolo iainana sy ara-pahasalamana izay mety hiteraka ahiahy eny ifotony, toy ny resaka taratra na “radioactivité”.

Mikasika ny fomba fitrandrahana dia marihana fa rehefa maka ny akoran-tany trandrahana ny Tetikasa dia ny 6% amin’ny tany alaina ihany no misy fasika mavesatra. Ao anatin’izany fasika mavesatra izany dia 2% ihany no monazite ary mbola 0,3% an’ny monazite no ahitana uranium ilay mampisy ny taratra radioactive. Tena kely izany taha 0,3% an’ny 2%, saingy tsy ataon’ny Fanjakana ambanin-javatra ny resaka fahasalaman’ny mponina sy ny mpiasa indrindra indrindra. Misy fepetra tsy maintsy raisina araka ny voalazan’ny Fehezan-dalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany. Amin’izao isika miresaka izao dia efa ao ambanin’ny tanintsika ireo singa ireo ary tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ireo mponina izay mivezivezy manodidina any an-toerana, izany dia manamafy izay ny voalazan’ny INSTN momba ny taratra izay tsy mitera-doza amin’ny vatan’olombelona. Ny toerana itrandrahana rahateo dia lavitra ny toeram-ponenan’ny mponina ka tsy hiteraka fanelingelenana.

Koa manoloana izany, ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany dia miantso fitoniana sady manainga antsika vahoaka eny ifotony mba hanolo-tanana ireo ambaratongam-panjakana isan-tokony amin’ny tohin’ny Tetikasa. Ny tanjona dia mba hisitrahan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fampandrosoana entin’izany.

MIM/DCRP – 06/04/2025