FARITRA FITOVINAGNY : Fihaonana tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mitanty Distrikan’i Manakara

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony tao amin’ny Faritra Fitovinagny, ny Talata 15 Aprily dia nanao fanentanana ireo mpitrandraka volamena madinika tao amin’ny Kaominina Ambanivohitry Mitanty Distrikan’i Manakara ny teo anivon’ny Fitalevam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Fitovinagny.

Natao indrindra izany mba hamporisihina azy ireo hiditra amin’ny sehatra manara-dalàna amin’ny alalan’ny fametrahana faritra hanomezana tantsoroka azy ireo na ny « Zone d’encadrement » sy ny fananana ny karatra mpanivana volamena.

Namafisina ihany koa ny famerenana amin’ny laoniny ireo toerana avy notrandrahana ary indrindra ny tsy fampiasana zaza tsy ampy taona, araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM FITOVINAGNY

MIM/DCRP – Avril 2025