Niverina amin’i Madagasikara ny bolongam-bolamena 45 tratra tany Maorisy
Taratry ny fisian’ny firaisankina, firalahiana, fifampitokisana eo amin’ny samy Nosy ao anatin’ny Ranomasimbe Indianina ny famerenan’ny Nosy Maorisy amin’i Madagasikara ireo bolongam-bolamena miisa 45 izay milanja 25,5 kilao, tratra tany an-toerana ny taona 2019.
Androany Alakamisy 24 Aprily 2025, nandritra ny fihaonana an-tampony fahadimy ho an’ireo Filoha sy mpitondra fanjakana mivondrona ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina sy tao anatin’ny fandraisam-pitenenany no nanoloran’ny Praiminisitra Maorisianina, Dr Navinchandra Ramgoolam tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ireo harem-pirenena ireo, izay hapetraka any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara araka izay voasoritry ny lalàna manan-kery.
Fihetsika maneho ny fiaraha-miasa matotra amin’ny lafiny ara-diplomatika eo amin’ny andaniny sy ankilany izay voarafitra anaty fifanarahana vita sonia tamin’ny taona 2018 fa indrindra ihany koa ho fanajana sy fampiharana ny fitsarana marina.
Madagascar récupère 45 lingots d’or saisis à Maurice
La cérémonie de restitution officielle des 45 lingots d’or saisis en 2019 à l’aéroport international de Maurice a eu lieu en marge du 5ᵉ Sommet des Chefs d’État et de Gouvernement de la Commission de l’océan Indien.
Ce dénouement symbolise une réussite diplomatique et judiciaire pour Madagascar, fruit d’une coopération renforcée entre les autorités douanières malgaches et mauriciennes, dans le cadre de l’Accord d’assistance mutuelle administrative signé en 2018.
La remise a été effectuée par le Premier Ministre mauricien, Dr Navinchandra Ramgoolam, GCSK, FRCP, en signe de solidarité régionale et de respect des engagements bilatéraux.
Un geste fort, salué comme un exemple de coordination efficace, de confiance mutuelle et de volonté politique au service de la justice.
Fampitam-baovao sy sary : Présidence de la République de Madagascar