Hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara manontolo ny tetikasa ho tanterahan’ny orinasa Base Toliara
Nandritra ny fandaharana manokana niarahana tamin’ny Filohan’ny Reploblika Andry Rajoelina ny Alahady 04 Mey 2025 tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana no nanehoany hevitra manoloana ireo lohahevitra mitana ny sain’ny mpanara-baovao tato ho ato.
Isan’ny noresahana tamin’izany ny tetikasa fitrandrahana fasi-mainty izay hataon’ny orinasa Base Toliara. Ka nanamarihan’Andriamatoa Filoha fa :
-Ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia lalan-tokana hahafahan’i Madagasikara mampiroborobo haingana ny fampandrosoana ny firenena. Ny fampiasana ny harena ananan’ny Nosintsika no hahafahantsika manova tanteraka sy hampandroso an’i Madagasikara, ary isan’izany ny harena an-kibon’ny tany
- Efa nahazo alalana hitrandraka tamin’ny Fitondrana teo aloha ny Base Toliara fa ny fanapahan-kevitra fampiatoana ny taona 2019 hatramin’ny taona 2024 dia nijerena manokana ny tena tombontsoa ho an’ny Faritra voakasiky ny Base Toliara sy ho an’i Madagasikara iray manontolo
- Betsaka ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany teto Madagasikara fa ny mahakasika ny Base Toliara dia miavaka amin’izany satria hita taratra dieny ety am-piandohana ireo tombontsoa ho azo avy amin’ny Tetikasa
- Tsy misy afenina ny tombontsoa mety ho azo avy amin’ny Base Toliara izay niadian’ny Filoham-pirenena mafy nandritra ny fifandresen-dahatra na ny négociation izay notarihany manokana, ho an’ny tombontsoan’i Madagasikara
-Tombontsoa lehibe ho an’ny firenena Malagasy ny fisian’ny orinasa goavana toa ny Base Toliara eto Madagasikara : hahatratra 180 tapitrisa dolara amerikanina isan-taona ny fampidiram-bola haba sy hetra rehefa tena mihodina ny orinasa ary mitotaly 5 miliara dolara ny fampidiram-bola ho an’ny firenena Malagasy mandritra ny fisian’ny Tetikasa.
-Araka izany nisintona manokana ny sain’ny rehetra ny Filoha raha nanamarika fa:
- Tsy hisy olana amin’ny fitadiavam-bola hanatanterahana ireo tetikasa goavana ho fampandrosoana ny firenena isika rehefa azontsika ny vola ampidirin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy toa izao
- Raha vita toa an’i Base Toliara ny fifanarahana rehetra amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ka misy Tetikasa na vitsivitsy aza toa an’ny Base Toliara dia hitondra fiovana goavana eto amin’ny firenena izany
- Tsy hanaiky na hampanaiky mihitsy izay Tetikasa hamono na hanimba an’I Madagasikara ny Filoham-pirenena
- Mbola handalo ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy izay mahakasika ny fitrandrahana hatao toa io
-Antso ho amin’ny fahatongavan-tsaina miantefa amin’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy no namaranan’Andriamatoa Filoha ny resany momba ity lohahevitra ity ka nanambarany fa :
- Fitiavan-tanindrazana sy tao anaty fangarahaharana tanteraka ny fifanarahana tamin’ny dingana rehetra amin’ity Tetikasa ho tanterahan’ny Base Toliara ity ary tsy nisy kolikoly na kely aza
- Ny monazite, izay akora isan’ny ho trandrahan’ny Base Toliara, dia tadiavin’ny firenena maro manoloana ny zava-misy maneran-tany ankehitriny. Tombony nomen’Andriamanitra antsika eto Madagasikara ny fananantsika an’izany ao an-kibon’ny tany ka tsy tokony ho variana amin’ny zavatra hafa isika manoloana izany tranga fanararaotra izany.
-Misy ny fitrandrahana monazite any amin’ny firenen-kafa sy ny toerana maro maneran-tany fa tsy mitarika fandringanana zavamanan’aina na famonoana olona izany.
- Manentana ny vahoaka Malagasy, indrindra ny vahoaka any Atsimo izay atao hiaingan’ny fampandrosoana an’I Madagasikara ny Filoha mba tsy hanaiky hampiasain’ny olona ho fitaovana hanakanana ny fampandrosoana.
MIM/DCRP – Mai 2025