FARITRA MENABE : FIHAONANA SY FIVORIANA NIARAHANA TAMIN’IREO BEN’NY TANANA AO AMIN’NY DISTRIKA MIANDRIVAZO

Nisy ny fihaonana sy fivoriana niarahana tamin’ireo ben’ny tanàna voafidy tato amin’ny Distrikan’i Miandrivazo ny 04 Mey 2025 natao tao amin’ny BAM Miandrivazo. Nanatrika izany ireo Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankondromena, Soaloka, Ankavandra, Betsipolitra, Ampanihy, Itondy, Isalo.

Tanjon’izao fihaonana izao ny fampahafantarana azy ireo ny momba ireo lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny andraikitr’ireo ben’ny tanàna. Samy ben’ny tanàna vaovao vao voafidy farany teo moa izy ireo ka liana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Nanazava ireo lalàna mifehy ny volamena ny Talem-paritra, niatomboka hatrany amin’ny fitrandrahana sy fanangonana ary ny famarotana azy, teo ihany koa ny mahakasika ny fitrandrahana azy amin’ny alalan’ny fananganana faritra voatokana mba hiantsorohana.

Toy izany koa ny mikasika ny vato hazo na “bois silicifié” izay kaominina telo no tena ahitana azy ity dia Ankondromena, Soaloka ary Betsipolitra. Ity akoran-karena ity izay azo atao tsara ny mitrandraka azy amin’ny alalan’ny fanomezan-dalana omen’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany dia ny “Autorisation de ramassage” ka olon-tsotra malagasy izay mahafeno ny fepetra rehetra no afaka omena azy.

Fisaorana no nasetrin’ireo ben’ny tanàna ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany satria dia zava-dehibe amin’izy ireo tokoa ny fahafantarana ny lalàna sy ny andraikitr’izy ireo mahakasika ity sehatra ity. Tsy maintsy mbola hisy ny fidinana ifotony ho ataon’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Menabe any amin’ireo Kaominina ireo hanazavana ny lalàna rehetra amin’ny vahoaka eny ifotony.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DR Mines Menabe