FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NOTANTERAHAN’NY MASOIVOHON’NY VONDRONA EOROPEANINA
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Roland Kobia, androany Talata 06 May 2025. Ny vondrona Eoropeanina izay iray amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena malagasy.
Nanaraotra ity fihaonana voalohany nifanaovany tamin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ity ny solotenan’ny Vondrona Eoropeanina nampahafantatra ireo tombontsoa amin’ny tolotra omen’ny tsena Eoropeanina an’i Madagasikara mifandraika amin’ny fifanakalozana ara-barotra. Nohamafisiny fa i Eoropa no mpanjifa voalohany ireo entana miainga avy aty Madagasikara, 30 isanjaton’ny entana dia mankany avokoa, tsy mandoa haban-tseranana no sady tsy misy famerana ny fatra azo aondrana. Nanisy resaka ihany koa izy momba ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-ekonomika izay misy eo amin’ny andaniny sy ankilany.
Tombony goavana amin’ny fitomboana ara-toekarena ny fisokafana eo amin’ny tsena any ivelany. Ankilany, nanambara ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany fa tokony hahay hanararaotra ireo tolotra ireo isika hampandrosoana ny firenena.
Fa ankoatra ny fifanakalozana mikasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany dia nivoitra tao anatin’ny fihaonana ihany koa ny fijerena ireo teboka afaka hiaraha-miasa. Samy nanamafy ny roa tonta fa vonona hanamafy orina sy hanatsara ny fifandraisana hitondrana anjara biriky amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fampandrosoana.