AFRICA ENERGY SUMMIT 2025 : mahaliana ny maro ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara

18/05/2025 – Nandray anjara feno tamin’ny hetsika « Africa Energies Summit 2025 » notontosaina tany Londres, Royaume Uni, tamin’ity herinandro ity i Madagasikara. Hetsika iraisam-pirenena mampivondrona ireo mpanapa-kevitra, ireo manam-pahaizana sy manana traikefa ary ireo mpampiasa vola amin’ny sehatry ny angovo, hifanakalozan-kevitra amin’ireo vina sy irika azo trandrahana momba io sehatra io aty amin’ny kaontinanta Afrikanina.

Nandrafitra ny delegasiona Malagasy tany an-toerana ny avy ao amin’ny OMNIS izay ratsamangaika miandraikitra ny momba izany sehatra izany, notarihan’ny Tale Jeneraly Nantenaina RASOLONIRINA sy ny solontena avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany.

Nisongadina avy hatrany i Madagasikara vao ny andro voalohany nanombohan’ity fihaonana an-tampony ity, nandritra ny « Madagascar Showcase » nanehoana ny fampahafantarana ny Nosy tamin’ny alalan-dRamatoa Nantenaina RASOLONIRINA Tale Jeneralin’ny OMNIS. Navoitrany tao anatin’ny fandraisany anjara ireo antony mahasarika hampiasa vola eto Madagasikara izay manana otrikarena momba ny akoranafo sy ny entona sy ny fananana « bassins sédimentaires » midadasika na an-tanety na an-dranomasina. Fa notsindriany manokana ihany koa ny toerana jeostratejika misy an’i Madagasikara eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina fa indrindra ny finiavana lehibe avy amin’ny Fitondram-panjakana hanokatra indray ny fikarohana sy fitrandrahana akoranafo miainga avy amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana isan-tsokajiny.

Nisy koa ny fandraisana fitenenana nandritra ny dinika avo lenta niarahana tamin’ireo mpikambana amina Governemanta sy tomponandraiki-panjakana samihafa, ho hanamafisana ny fiaraha-miasa mba hanatsarana ny fitantanana ny seha-pihariana sy handinihana paikady ho enti-manintona kokoa ny fampiasam-bola iraisam-pirenena.

Ankoatra ny fandraisam-pitenenana ofisialy dia manampy betsaka an’i Madagasikara ny fandraisana anjara tamin’ity hetsika ity sady tombon-dahiny hakana traikefa sy hahitana ireo fomba fiasa mahomby eo amin’ny samy Afrikanina sy sehatra iraisam-pirenena, hitsirihana ny fironana misy amin’ny tsena ankehitriny sy hamantarana ireo sehatra mifototra amin’ny fampiasam-bola amin’ny loharanonkarena mikasika ny angovo.

Zava-misy iraisan’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika atsinanana ny fananana otrikarena goavana saingy mbola ampahany kely no voatrandraka. Mahavelom-bolo ny fisian’ireo mpandray anjara maro naneho mivantana fa liana amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara na maro aza ireo firenena samy nandray anjara tamin’ity fihaonana an-tampony ity.

MIM/DCRP – Mai 2025