MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY : TSY MISY LAINGA NY FANAZAVANA TEKNIKA NOENTINA MOMBAN’NY TETIKASA BASE TOLIARA

Manoloana ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena sady lehiben’ny mpanohitra Siteny RANDRIANASOLONIAIKO izay nilaza fa lainga ny fanazavana noentin’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany nanoloana ny vahoaka tao Ankilimalinike, momba ny tetikasa Base Toliara dia nitondra fanazavana avy hatrany ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Novelabelariny tao anatin’ny horonantsary fohy ny fanazavana ara-tekinika momba ity tetikasa ity ka anisan’ny notsindriany manokana ny hoe ny « SIANSA TSY MBA MANDAINGA ». Nohamafisiny tao anatin’izany fa tsy ao anatin’ny ala arovana, PK32 alan’ny Baobab ny fahazoan-dalana na permis an’ny Base Toliara fa any ivelany. Nohazavainy ihany koa fa tsy misy mihitsy permis minier azo raha anaty faritra arovana ny toeram-pitrandrahana ary ny « système informatique » izay ikirakirana ny « cadastre minier » dia mandà avy hatrany ny fangatahana fahazoan-dalana hitrandraka raha toa ka tafiditra anaty faritra arovana ny fangitra mamaritra ny toeram-pitrandrahana.

Manodidina ny 15 metatra ihany koa ny hakan’ny Base Toliara ny fasika mavesatra ao anatin’io tetikasa io satria efa ao amin’io halalina io no misy ny akora ilaina araka ny vokatry ny fikarohana efa notanterahana.

Araho ato anatin’ity horonantsary ity ny fanampim-panazavana feno.