TETIKASA BASE TOLIARA : Zava-dehibe ny fampitàna ny vaovao marim-pototra sy mitombina

Ireo firenena izay lazaina fa mandroso ankehitriny, ny ankamaroany, dia nandalo tamin’ny fitrandrahana  ny harena voajanahary indrindra ny harena an-kibon’ny tany. Tokony hisitraka an’izany isika eto Madagasikara izay manana an’izany ary tokony hatao fanoitra amin’ny fampandrosoana izany; indrindra ny ao Toliara izay manana ity fasi-mainty hotrandrahana ity. Tetikasa hitondra fampandrosoana sy tombontsoa goavana ho an’ny eny ifotony, ny Faritra Atsimo Andrefana ary ny firenena manontolo ny fitrandrahana fasi-mainty izay hataon’ny orinasa Base Toliara.

Manoloana izany indrindra dia tsy mitsahatra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny mitondra ny fanazavana ho an’ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena, satria noho ny fivoizana vaovao tsy marina dia miteraka savorovoro izany.

Ohatra iray amin’izany ity Publication nataon’Andriamatoa Patrick RAHARIMANANA ity https://web.facebook.com/share/p/16VjRR5nXy/, diso hatramin’ny voalohany ny « informations » voalaza ao ary diso manaraka izany koa ny famakafakana nanaraka azy.

Tahaka ny filazàna fa 7700 Ha no velaran’ny permis an’ny Base Toliara dia marihana etoana fa diso. Permis d’exploitation N°37242 no ananan’ny Base Toliara, ary  320 carrés miniers no mandrafitra azy, azo hamarinina eo anivon’ny BCMM izany. Marihana fa mirefy 625m x 625m ny carré minier iray, noho izany ny velaran’io permis io dia 12.500 Ha fa tsy 7.700 Ha.

Afangarongaro amin’ny Toliara Sands izay efa niova efa ela be ihany koa ny resaka ka zary mampiroaroa saina ny mpanara-baovao. Efa nanohy ny asa fikarohana ny Base Ressources  avy any Australie, nametraka ny Tetikasa Base Toliara izay nahavita ny « Etude de faisabilité » ary mbola nampian’ny Energy Fuels avy any Etas-Unis izany taty aoriana.

Eo koa ny fomba fitrandrahana izay efa nolazaina ombieny fa fitrandrahana mandeha tsikelikely « exploitation progressive » amin’ny « bloc » 2 Ha fa tsy milaza mihitsy hoe 2 Ha isan-taona fotsiny, araka ny voalazan’Andriamatoa Patrick Raharimanana hatrany.

Araka ny saritany izay hita eto dia mbola lavitrano misy ny alan’ny Mikea ka mahagaga ny fivoizana fa hihitatra mankany ny fitrandrahana. Tena tsy mitombina ihany koa ny fampidirana izany resaka  fanitarana ny fitrandrahana izany satria voafetran’ny permis d’exploitation N°37242 ny faritra hanaovana ny fitrandrahana ka tsy afaka hoe hafindrafindra sy hitarina ny toerana, satria ao no nasian’Andriamanitra azy ka ao no hakana azy.

Araka ny voalaza teo aloha, efa nahavita Etude de faisabilité ny Base Toliara ary ny fikarohana dia maneho fa ao amin’ny “Unité de sable supérieure” ihany no hanaovana ny fitrandrahana fa tsy miditra amin’ny “couche” hafa ambanin’izany.  15 metatra no salanisan’ny halalin’ny fitrandrahana ;  mety ho latsaka, mety mihoatra kely satria tsy voatery hitovy toetra ranoray ny velarantany rehetra. Ny kajy na ny « modélisation économique » rehehtra dia miainga avy amin’izay.

Antso hatrany no hamafisina araka izay efa nataon’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier mba ho vaovao marim-pototra sy mitombina  no hampitaina amin’ny vahoaka Malagasy.