ATRIKASA FANOFANANA

TAN-TSOROKA HO AN’IREO TOMPONANDRAIKITRA ISAN-TOKONY EO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY AVY AMIN’NY FANDAHARANASAN’NY FIRENENA MIKAMBANA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA

Tomponandraikitra isan-tokony nahitana Tale, lehibena sampan-draharaha ary teknisianina maro eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany no nisitraka atrikasa fanofanana, izay tan-tsoroka avy amin’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD), notontosaina teny amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny Talata 20 sy androany Alarobia 21 May 2025.

Teboka maromaro no niompanan’ny atrikasa fanofanana, nifampizarana traikefa sy fahalalana manoloana ireo fiovàna sy zava-baovao samihafa taorian’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, narahin’ireo didy fampiharana samihafa. Isan’ny nojerena akaiky ny momba ny fanaovana tombana sy fikirakirana ny antontan-taratasy fahazoan-dalana, niampy famelabelarana teknika momba ny fikarohana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Teo ihany koa ny momba ny famolavolana ny torolalana momba ny fomba fiasa sy fanaovana tombana ireo pitsopitsony mikasika ny Plan de travail et Plan de Financement (PTPF) ary koa ny momba ny famoahana ny fanomezan-dalana hitrandraka ho an’ireo mpitrandraka madinika (AMEA).

Tanjona ny hananan’ny tomponandraikitra isan-tokony traikefa sy fahalalana hametrahana fomba fiasa mazava, madio ary mitovy. Fanombohana ihany izao fa ho aparitaka any amin’ny faritra ny hetsika mba samy hahalala sy hahafehy ny manodidina ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ireo lalàna velona mifandraika amin’izany ny tomponandraikitra tsirairay.

Nankasitrahan’ny tomponandraikitra sy ireo mpisitraka ity tan-tsoroka avy amin’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) sy ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ity, ary irarian’izy ireo ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta hanovozana fahalalana sy hanatevenana ny traikefa ho enti-miasa.

MIM/DCRP – Mai 2025