Fametrahana vato fototra BAM Tsiroanomandidy

Taorian’ny fanombohana ny asa fanorenana ny BAM Miandrivazo, voapetraka soa aman-tsara ny Zoma faha 23 oktobra 2020 ny vatofototry ny biraom-pitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na « Bureau d’Administration Minière » Tsiroanomandidy. Nanatontosa izany tany an-toerana ny delegasiona notarihan’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA. Ao amin’ny Kaominina Morafeno Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy no hanorenana ity fotodrafitrasa vaovao ity.

Fanjakana manakaiky vahoaka: tsy hisy distrika ho adino intsony amin’ny fampandrosoana rehetra izay hatao eto Madagasikara araka ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nampahatsiahy izany hatrany ny Minisitra tomponandraikitra Fidiniavo RAVOKATRA, nandritra ny fandraisam-pitenenany sy ny fivoriana niarahany nidinika tamin’ireo tomponandraikitra eny ifotony, nahitana ireo Ben’ny Tanànan’ny Kaominina manodidina. Samy hahazo tombontsoa amin’izao biraom-pitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na BAM vaovao izao ireo distrika roa mandrafitra ny Faritra Bongolava dia Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, ary miisa 16 ireo Kaominina manodidina samy ahitana harena an-kibon’ny tany toy ny vatosoa sy vato sarobidy ary koa volamena.

Ankoatra ny fanatsarana sy fanaraha-maso bebe kokoa ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany dia hanala fahasahiranana ireo mpandraharaha amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina ara-panjakana izao birao ifotony mampiseho ny Fanjakana manakaiky vahoaka izao. Hahafahana mizara izay tsara ho fantatra momba ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany amin’ireo izay liana amin’izany koa.