Ady amin’ny fandrobàna ny harem-pirenena : Vato « pierres gemmes » saika naondrana antsokosoko milanja 185,600 kg tratra teny amin’ny Seranantsambo Mahajanga
Ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra ny fanatanterahan’ny mpiasan’ny Fitaleavana iraisam-paritra DIRMRS Mahajanga miasa eny amin’ny Port Mahajanga ny asa fanaraha-maso fanaon’izy ireo miaraka amin’ny eny anivon’ny Fadintseranana, no nitrangan’izany araka ny Tatitra sy fampitam-baovao avy any an-toerana.
“Tsy azo ekena mihitsy ny fandrobàna ny harem-pirenena voajanahary amin’ny endriny rehetra”, ambetin-tenin’ny Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika izany, ary isan’ireo fepetra voalohany noraisiny raha nandray ny fitantanana ny Ministera ny tsy maintsy hisian’ny solontena avy ao amin’ny Direction Régionale des Mines manatri-maso ny fitsirihana sy manatanteraka ny fanamarinana ifotony ireo vato rehetra haondrana rehefa misy ny fampidirana harena an-kibon’ny tany anaty conteneur eny anivon’ny seranan-tsambo.
Efa nahazoam-bokany teo aloha ary hamafisina hatrany ny ezaka iombonan’ireo tomponandraiki-panjakana voakasiky ny fiarovana ny harem-pirenena toa izao, ka isan’izany ny nahatratrarana ireto vatosoa ireto, izay natao anaty fonosana miisa 57, mitontaly 185,600 kg, ary nasitrika niaraka tamin’ireo vato voalaza tao anaty taratasy fangatahana fanondranana.
Vatosoa sy vato sarobidy toy ny saphir, béryl, rubis, émeraude no ankabeazan’izany, araka ny fahitan’ny teknisiana azy ; saingy tsara hatrany ny manamarika fa any anivon’ny Laboratoire ihany no afaka manamarina sy mamantatra izay tena karazana sy kalitaon’ny vato toy itony.
Nogiazana moa ireo vato ireo ary napetraka ao amin’ny Banky Foiben’ny Madagasikara Mahajanga mba hiarovana azy.
Efa nanomboka ary mbola mitohy eo anivon’ny Police des Mines ny fanadihadiana ireo olona voatazona, mialoha ny dingana manaraka takian’ny famotorana.
…………………………………………..
Tentative d’exportation illicite : Interception de 185,600 kg de pierres gemmes au Port de Mahajanga
Durant le contrôle des opérations d’empotage effectué par le Service des Mines de la Direction Interrégionale des Mines et des Ressources Stratégiques Mahajanga, avec le Service des Douanes au niveau du Port de Mahajanga, les faits ont été constatés le vendredi 07 avril 2023.
Le Ministre des Mines et des Ressources Stratégiques RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier rappelle constamment que le pillage des ressources naturelles du pays, sous quelque forme et de quelque manière que ce soit est un acte inadmissible. Dès sa prise de fonction à la tête du département ministériel, il a exigé à ce que toute opération de contrôle d’empotage de produits miniers au niveau des ports soit effectuée en présence des agents de la Direction Régionale des Mines.
Cette stratégie a déjà porté ses fruits auparavant et cette fois-ci encore, a permis de déjouer la tentative d’exportation illicite de 185,600kg de pierres gemmes, réparties dans 57 paquets en plastiques dissimulés avec les pierres industrielles déclarées dans les documents d’exportation.
Après identification visuelle par les techniciens, les substances minérales en question s’agissent principalement de saphir, béryl, rubis et émeraude. Il importe de noter que l’identification définitive de telles substances avec leur valeur relève du Laboratoire. Les pierres saisies ont été scellées et déposées au niveau de la Représentation Territoriale de Banky Foiben’i Madagasikara Mahajanga.
Les enquêtes, entamées par la Police des Mines, sont en cours et vont se poursuivre.
MMRS/DCRI – Avril 2023