KOMITY FANATSARANA NY CODE MINIER : MITOHY NY FIARAHA-MIDINIKA ISAM-BONDRONA

Mitohy hatrany ny dinika fifanakalozan-kevitra iarahan’ireo mpitarika isam-bondrona anatin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra mahakasika ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny Ministera tomponandraikitra. Vondrona izay ahitana ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikan’ny mpitrandraka, ny tranoben’ny harena an-kibon’ny tany, ny mpitrandraka teratany ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Omaly Alakamisy 12 Novambra 2020, dia nisy ny fihaonana izay notarihin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon- karena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tao amin’ny Amphithéatre Lacroix Ampandrianomby.

Tsotra ny tanjona kinendrin’ny Fanjakana dia fanatsarana ny lalàna hifanaraka amin’ny toe-java-misy ankehitriny, mba hampitomboana ny tombotsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy azo avy amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany, hampandrosoana ny firenena ary hisitrahan’ireo mpiantsehatra ny mahasoa azy ireo koa. Araka izany, samy mandroso izay tolo-kevitra avy aminy ny mpandray anjara isaky ny sokajiny, ary tsapa fa ankoatra ny fiadiana ho an’ny tombontsoan’ny vondrona tsirairay dia hita taratra ny fiaraha-mitsinjo ny tombontsoa iombonan’ny firenena.

Tsiahivina fa tamin’ny fiandohan’ity taona 2020 ity no nanombohan’ny fifampidinihana izay notanterahana isaky ny Alakamisy. Taorian’ny fiatoana noho ny hamehana ara-pahasalamana dia efa nitohy isan-kerinandro nanomboka ny 31 Aogositra 2020 izany.

Mbola maro ny lalana hizoran’ity fanatsaràna ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany ity miala avy eo amin’ny komity mpandinika sy mpandrafitra. Isan’izany ny fandinihana azy eo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta sy ny Filankevitry ny Minisitra, mialohan’ny hitondràna izany eo anivon’ny Antenimiera roa tonta. Ezahana ny hahatontosana izany ara-potoana manoloana ny zava-misy ankehitriny sy ny anjara biriky ho entin’ity sehatra ity eo amin’ny fanarenana ara-toekarena aorian’ny valanaretina Coronavirus.