AKOM-BAOVAO DRMRS MELAKY

Nampahafantatra sy namelabelatra momba ny volavolan-dalàna 005/2023 mifehy ny harena an-kibon’ny tany izay vao nolanain’ny Antenimiera roa tonta farany teo, sy ny lafiny samihafa momba ny asa fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony (olom-boafidy, olom-boatendry, lehiben’ny servisy, filohan’ny fikambanana maro samihafa…) ny Talem-paritry ny harena ankibon’ny tany DRMRS Melaky RAZANADRATEFA Zotonokinendry, nandritra ny fitsidihana nataony tany amin’ny Distrikan’Antsalova.

Noresahany nandritra izany ny santionany amin’ireo andinin-dalàna nasiam-panavaozana ao anatin’izany volavolan-dalàna vaovao izany, toy izay mikasika ny : 

– Fitantanana mangarahara izay manome lanja bebe kokoa ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana

– Ny tamberin’andraikitra entin’ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany izay tsy maintsy voafaritra anaty drafitra momba izany (RSE)

– Ny fanomezan-danja ny fiaraha-miasa eny ifotony : fampidirana mpiasa teratany malagasy, fampiofanana sy fanamafisana ny traikefa, fanaovana laharam-pahamehana ireo orinasa ara-barotra manodidina ny toeram-pitrandrahana raha mitovy ihany ny tolotra

– Ny fitsinjovana sy fametrahana antoka ho an’ireo mpandraharaha te hampiasa vola eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany (garantie de stabilité 5 taona azo havaozina)

– Fampanarahan-dalàna : fijerena akaiky ireo fepetra sy sazy ara-panjakana manoloana ny tsy fanatanterahana ireo andraikitra efa voafaritra sy ny fandikan-dalàna

– Fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna ny fitrandrahana madinika : fahafahan’ireo vondrona mpitrandraka madinika eny ifotony mahazo fahazoan-dalana mifanaraka amin’izany sy ny fepetra hahafahany miasa

– Momba ny fitrandrahana akora stratejika raha misy ny fampivoarana orinasa mikirakira sy mitrandraka akora stratejika amin’ny faritra iray

– Ny fitsinjaran’ireo hetra sy tamberim-bidy azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky