FAMINDRAM-PITANTANANA DIRECTION DU SYSTEME D’INFORMATION ET DE GESTION DES DONNEES

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 14 Jona 2023, dia Andriamatoa RAKOTOSON Diary Manjaka, no voatendry ho Tale vaovao hitantana ny Direction du Directeur du Système d’Information et de la Gestion des Données (DSIGD) eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika.

.

Tontosa soa aman-tsara androany Zoma faha 30 Jona 202, tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, ny famindram-pitantanana niaraka tamin-dRamatoa RANAIVO Muriella Aina, izay Tale mpisolo toerana teo aloha.

Nanatrika izany fotoana izany Andriamatoa Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanonkarena Stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, ary nanotrona izany koa ireo tomponandraikitra sy solontenan’ny mpiara-miasa eto anivon’ny Ministera.

MMRS/DCRI – Juin 2023