FAMINDRAM-PITANTANANA DIRECTION DE LA LEGISLATION ET DES AFFAIRES JURIDIQUES
Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Ministra ny Alarobia faha-28 Jona 2023 lasa teo, ho Tale vaovao misahana ny Direction de la Législation et des Affaires Juridiques (DLAJ), eto anivon’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika, Andriamatoa KOTOSON Andriambololona Seth.
Araka izany, notanterahana androany 30 Jona 2023 tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, ny famindram-pitantanana teo aminy sy Andriamatoa RASAMIZANAKA Jean-Louis, Tale mpisolo toerana teo aloha.
Nanotrona izany fotoana izany Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, ireo tomponandraikitra samihafa sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavana.
MMRS/DCRI – Juin 2023