FARITRA ANOSY : FIDINANA IFOTONY FANAOVANA TOMBANA MIALOHA NY HO FANAVAOZANA PRE SY FANARAHA-MASO IREO ASA VATO AO AMIN’NY « ZONE D’ENCADREMENT » TAO IANABINDA-MAROMBY-TSIVORY-ANKARIERA-RANOPISO

Tontosa ny faha 27 Jona hatramin’ny 02 Jolay 2023 ny fidinana ifotony tapany faharoa ho an’ny fari-piadidian’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS ANOSY. Efa vita tamin’ny faha-19 hatramin’ny 24 Jona 2023 kosa ny tapany voalohany tamin’izany.

Niara-nisalahy tamin’ny Fitaleavam-paritra ANOSY nanatanteraka izany ny mpiara-miasa avy amin’ny DEPGM avy amin’ny Ministera foibe Antananarivo, ny solotenan’ireo mpitrandraka isan-tokony, ary ny avy amin’ny Kaominina.

Kaominina sy Distrika maromaro an’ny Faritra Anosy no nahavitana asa, nahitana ny :

– Kaominina Ambanivohitra Ianabinda, Distrika Betroka ;

– Kaominina ambanivohitra Maromby, Distrika Amboasary-atsimo ;

– Kaominina ambanivohitra Tsivory, Distrika Amboasary-atsimo ;

– Kaominina Ambanivohitra Ankariera, Distrika Tolagnaro;

– KaomininaAmbanivohitra Ranopiso,Distrika Tolagnaro

Notontosaina nandritra ny fidinana ifotony ny fanaovana  »localisation » ny toerana izay misy toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny PRE/ZE, niaraka amin’ny fakana sary; fanaovana tombana ireo  »formations géologiques » hita any anivon’ny PRE sy/na ZE; fitsirihana ny lafiny ara-tontolo iainana; Fanadihadiana teny anivon’ny Kaominina sy/na Fokontany voakasiky ny PRE sy ZE izay nandalovana.

Ankoatr’izay dia misy hatrany ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpitondra ifotony sy ireo mpitrandraka ary koa fanentanana ny rehetra hanaraka ireo voalazan’ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ary fanatsidihana sahady ny fihavaozan’io Lalàna io, ka hampahafantarina miandalana ireo tsara ho fantatra momba izany.

Samy nisaotra ny mpidina ifotony ny rehetra ary nanome toky fa hanaraka ny toromarika rehetra hanaovana asa fitrandrahana mba hitondra voka-tsoa ho an’ny rehetra. Naneho ny faniriany ireo mpandraharaha ny mba hivoahan’ny fanavaozana PRE tsy ho ela.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Anosy

Juillet 2023